# Yaveh o, Ianao no fiarovako mafy Eto i Jeremia dia manomboka miresaka amin'i Yaveh. # fiarovako mafy sy fialofako, toerana azoko antoka Jeremia dia miresaka an'i Yaveh toy ny toerana izay tsy ahafahan'ireo fahavalo manafika azy. Namerina izany intelo izy. # any amin'ny faran'ny tany DH: "na aiza na aiza eto ambonin'ny tany" # nandova fitaka tokoa ny razambenay Eto ny teny "fitaka" dia manondro ireo andriamanitra sandoka. # Foana izy ireo; ary tsy ahitana tombontsoa ao amin'izy ireo. Eto ny teny "izy ireo" dia manondro ireo andriamani-kafa izay nampianarin'ny razamben'izy ireo taloha ho hinoana. # Manao andriamanitra ho an'ny tenan'izy ireo ve Nametraka io fanontaniana io i Jeremia mba hanamafisana fa ny olona dia tsy tokony hanao andriamanitra ho an'ny tenan'izy ireo. DH: "Tsy afaka manao andriamanitra ho an'ny tenan'izy ireo" # Noho izany indro! Eto Yaveh dia manomboka miteny. Ny teny "indro" eto dia manamafy ny fehezanteny izay manaraka azy. DH: "Noho izany tokoa," # Ho ampahafantariko azy ireo Eto ny teny "azy ireo" dia manondro ireo olona avy amin'ireo firenena. Namerina io teny io Yaveh mba ho fanamafisana. # ny tanako sy ny heriko Eto ny teny "tanana" dia manondro ny hery sy fahefana. Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy ny heviny ary manamafy ny haben'ny herin'i Yaveh. DH: "ny heriko lehibe." # ho fantatr'izy ireo fa Yaveh no anarako Eto ny "anarana" dia manondro an'i Yaveh tenany. DH : "ho fantatr'izy ireo fa Izaho no Yaveh, ilay tena Andriamanitra"