plt_tn/jdg/19/18.md

810 B

hampiantrano ahy

Izany andian-teny izany dia ilazana ny olona manasa olona hafa mba handany ny alina ao an-tranony. DH: "nampiantrano ahy hijanona ao an-tranony"

hampiantrano ahy

Eto ilay Levita dia miteny hoe "ahy," nefa izy tenany miaraka amin'ny mpanompony ary ny vaditsindranony mihitsy no tiany ho lazaina. DH: "hampiantrano anay"

misy mofo sy divay

Azo adika amin'ny fomba hafa ihany koa izany. DH: "ary manana mofo sy divay be dia be izahay"

ahy sy ho an'ireo mpanompo vavinao eto, ary ho an'ny tovolahinao miaraka amin'ireo mpanomponao

Manao ny tenany sy ireo hafa ho toy ny mpanompo ilay Levita, mba ho mari-panajana. DH: "izaho, ny vaditsindranoko, ary ny mpanompoko"

Tsy misy zava-mahory anay

Azo adika amin'ny fomba hafa ihany koa izany. DH: "Manana izay rehetra ilainay izahay"