plt_tn/jdg/15/19.md

1.0 KiB

nanasaraka ilay toerana babangoana

"miady lavaka eo amin'ny tany" na "manokatra toerana iva." Izany dia ilazana toerana iva izay namoahan'i Yaveh loharano.

Lehy

Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 15:9 izany.

niverina ny heriny ary velombelona indray izy

Mitovy ihany ny hevitr'ireo andian-teny roa ireo ary izany dia atao mba hanasongadinana fa tonga matanjaka indray i Samsona. Azo atambatra ho fehezanteny iray ihany koa izany. DH: "tonga natanjaka indray izy" na "velombelona indray izy"

En-Hakora

Izany dia anarana loharano. Izay midika hoe "loharanon'ilay nivavaka."

izany dia any Lehy mandrak'ankehitriny

Midika izany fa tsy ritra ilay loharano fa mbola ao. Ny andian-teny hoe "mandrak'ankehitriny" dia ilazana ny fotoana ankehitriny. DH: "mbola hita any Lehy izany, eny na dia amin'izao fotoana izao aza" (UDB)

tamin'ny andron'ireo Filistina

Izany dia ilazana ny fotoana nifehezan'ireo Filistina ny tanin'i Israely. DH: "nandritra ny fotoana nifehezan'ireo Filistina an'i Israely"

nandritra ny roapolo taona

"nandritra ny 20 taona"