plt_tn/jdg/15/19.md

28 lines
1.0 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# nanasaraka ilay toerana babangoana
"miady lavaka eo amin'ny tany" na "manokatra toerana iva." Izany dia ilazana toerana iva izay namoahan'i Yaveh loharano.
# Lehy
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 15:9 izany.
# niverina ny heriny ary velombelona indray izy
Mitovy ihany ny hevitr'ireo andian-teny roa ireo ary izany dia atao mba hanasongadinana fa tonga matanjaka indray i Samsona. Azo atambatra ho fehezanteny iray ihany koa izany. DH: "tonga natanjaka indray izy" na "velombelona indray izy"
# En-Hakora
Izany dia anarana loharano. Izay midika hoe "loharanon'ilay nivavaka."
# izany dia any Lehy mandrak'ankehitriny
Midika izany fa tsy ritra ilay loharano fa mbola ao. Ny andian-teny hoe "mandrak'ankehitriny" dia ilazana ny fotoana ankehitriny. DH: "mbola hita any Lehy izany, eny na dia amin'izao fotoana izao aza" (UDB)
# tamin'ny andron'ireo Filistina
Izany dia ilazana ny fotoana nifehezan'ireo Filistina ny tanin'i Israely. DH: "nandritra ny fotoana nifehezan'ireo Filistina an'i Israely"
# nandritra ny roapolo taona
"nandritra ny 20 taona"