# nanasaraka ilay toerana babangoana "miady lavaka eo amin'ny tany" na "manokatra toerana iva." Izany dia ilazana toerana iva izay namoahan'i Yaveh loharano. # Lehy Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 15:9 izany. # niverina ny heriny ary velombelona indray izy Mitovy ihany ny hevitr'ireo andian-teny roa ireo ary izany dia atao mba hanasongadinana fa tonga matanjaka indray i Samsona. Azo atambatra ho fehezanteny iray ihany koa izany. DH: "tonga natanjaka indray izy" na "velombelona indray izy" # En-Hakora Izany dia anarana loharano. Izay midika hoe "loharanon'ilay nivavaka." # izany dia any Lehy mandrak'ankehitriny Midika izany fa tsy ritra ilay loharano fa mbola ao. Ny andian-teny hoe "mandrak'ankehitriny" dia ilazana ny fotoana ankehitriny. DH: "mbola hita any Lehy izany, eny na dia amin'izao fotoana izao aza" (UDB) # tamin'ny andron'ireo Filistina Izany dia ilazana ny fotoana nifehezan'ireo Filistina ny tanin'i Israely. DH: "nandritra ny fotoana nifehezan'ireo Filistina an'i Israely" # nandritra ny roapolo taona "nandritra ny 20 taona"