plt_tn/isa/42/25.md

28 lines
994 B
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Mbola miteny Isaia.
# Noho izany
"Noho izany Yaveh"
# nararany tamin'izy ireo ny firehetan'ny fahatezerany
Ny hatezeran'i Yaveh dia resahin'i Isaia toy ny hoe rano izay afaka araraka izany. DH: "nampiseho ny firehetan'ny hatezerany tamin'izy ireo"
# tamin'izy ireo
"tamintsika". Eto ny hoe "izy ireo" dia manondro ny vahoakan'Israely, nefa mbola nampiditra ny tenany ho anisan'ny vahoaka tao amin'izany ihany Isaia.
# mbamin'ny fandravan'ny ady
Ny teny hoe "fandravana" dia afaka adika amin'ny matoanteny. DH: "tamin'ny nandravana azy ireo tamin'ny ady"
# Niredareda nanodidina azy ireo izany...nandoro azy ireo izany
Ny firehetan'ny hatezeran'i Yaveh dia resahin'Isaia toy ny hoe afo izay nandoro ny vahoaka izany.
# tsy noraisin'izy ireo am-po izany
Ny fihainoana zavatra sy ny fianarana amin'izany dia resahina toy ny hoe napetraka tao am-pon'ny olona izany zavatra izany. DH: "tsy nihaino izy ireo" na "tsy nianatra tamin'izany izy ireo"