plt_tn/isa/42/25.md

994 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Mbola miteny Isaia.

Noho izany

"Noho izany Yaveh"

nararany tamin'izy ireo ny firehetan'ny fahatezerany

Ny hatezeran'i Yaveh dia resahin'i Isaia toy ny hoe rano izay afaka araraka izany. DH: "nampiseho ny firehetan'ny hatezerany tamin'izy ireo"

tamin'izy ireo

"tamintsika". Eto ny hoe "izy ireo" dia manondro ny vahoakan'Israely, nefa mbola nampiditra ny tenany ho anisan'ny vahoaka tao amin'izany ihany Isaia.

mbamin'ny fandravan'ny ady

Ny teny hoe "fandravana" dia afaka adika amin'ny matoanteny. DH: "tamin'ny nandravana azy ireo tamin'ny ady"

Niredareda nanodidina azy ireo izany...nandoro azy ireo izany

Ny firehetan'ny hatezeran'i Yaveh dia resahin'Isaia toy ny hoe afo izay nandoro ny vahoaka izany.

tsy noraisin'izy ireo am-po izany

Ny fihainoana zavatra sy ny fianarana amin'izany dia resahina toy ny hoe napetraka tao am-pon'ny olona izany zavatra izany. DH: "tsy nihaino izy ireo" na "tsy nianatra tamin'izany izy ireo"