# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Mbola miteny Isaia. # Noho izany "Noho izany Yaveh" # nararany tamin'izy ireo ny firehetan'ny fahatezerany Ny hatezeran'i Yaveh dia resahin'i Isaia toy ny hoe rano izay afaka araraka izany. DH: "nampiseho ny firehetan'ny hatezerany tamin'izy ireo" # tamin'izy ireo "tamintsika". Eto ny hoe "izy ireo" dia manondro ny vahoakan'Israely, nefa mbola nampiditra ny tenany ho anisan'ny vahoaka tao amin'izany ihany Isaia. # mbamin'ny fandravan'ny ady Ny teny hoe "fandravana" dia afaka adika amin'ny matoanteny. DH: "tamin'ny nandravana azy ireo tamin'ny ady" # Niredareda nanodidina azy ireo izany...nandoro azy ireo izany Ny firehetan'ny hatezeran'i Yaveh dia resahin'Isaia toy ny hoe afo izay nandoro ny vahoaka izany. # tsy noraisin'izy ireo am-po izany Ny fihainoana zavatra sy ny fianarana amin'izany dia resahina toy ny hoe napetraka tao am-pon'ny olona izany zavatra izany. DH: "tsy nihaino izy ireo" na "tsy nianatra tamin'izany izy ireo"