plt_tn/isa/18/04.md

36 lines
1.5 KiB
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Mampiasa fanoharana momba ny mpamboly eny amin'ny tanim-boaloboka Andriamanitra mba hamaritana izay hataony amin'ny firenena sasany. Izany firenena izany dia mety ho i Etiopia na ny fahavalon'i Etiopia.
# Izao no nambaran'i Yaveh tamiko
"Hoy Yaveh tamiko." Eto ny teny hoe "tamiko" dia manondro an'Isaia.
# Handinika moramora avy eny amin'ny tranoko Aho
Izay ho dinihin'Andriamanitra dia azo atao mazava. DH: "Handinika moramora izany firenena izany avy eny amin'ny tranoko Aho" na "avy eny amin'ny tranoko Aho no handinika moramora izay hataon'ny vahoakan'izany firenena izany"
# toy ny fipoakan'ny hafanana eny amin'ny masoandro, toy ny zavon'ny rahona amin'ny hafanan'ny fijinjana
Ireo andian-teny ireo dia mampiseho ny fomba fandinihan'Andriamanitra mangina ny firenena.
# Mialohan'ny fijinjana
Mialohan'ny fijinjana voaloboka
# rehefa tapitra ny famelanana
Azo atao mazava fa manondro ny voaloboka mamelana izany. DH: "rehefa tapitra ny fanirian'ny vony eo amin'ny voaloboka"
# dia handrantsana ireo voniny
Raha hitan'ny mpamboly fa tsy mamoa ny sampana vaovao, dia ho tapahiny izany. DH: "dia handrantsana ireo voniny izay tsy mamoa ny mpamboly"
# fanetezam-boaloboka
Ny fanetezam-boaloboka dia antsy ampiasain'ny olona hanapahana ny sampam-boaloboka na zava-maniry hafa.
# ho kapainy sy ho entiny ireo rantsana miely
Raha hitan'ny mpamboly fa naniry be loatra ny sampana iray ka misakana ny voaloboka manontolo tsy hamoa, dia ho kapainy izany ka hariany.