1.5 KiB
Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Mampiasa fanoharana momba ny mpamboly eny amin'ny tanim-boaloboka Andriamanitra mba hamaritana izay hataony amin'ny firenena sasany. Izany firenena izany dia mety ho i Etiopia na ny fahavalon'i Etiopia.
Izao no nambaran'i Yaveh tamiko
"Hoy Yaveh tamiko." Eto ny teny hoe "tamiko" dia manondro an'Isaia.
Handinika moramora avy eny amin'ny tranoko Aho
Izay ho dinihin'Andriamanitra dia azo atao mazava. DH: "Handinika moramora izany firenena izany avy eny amin'ny tranoko Aho" na "avy eny amin'ny tranoko Aho no handinika moramora izay hataon'ny vahoakan'izany firenena izany"
toy ny fipoakan'ny hafanana eny amin'ny masoandro, toy ny zavon'ny rahona amin'ny hafanan'ny fijinjana
Ireo andian-teny ireo dia mampiseho ny fomba fandinihan'Andriamanitra mangina ny firenena.
Mialohan'ny fijinjana
Mialohan'ny fijinjana voaloboka
rehefa tapitra ny famelanana
Azo atao mazava fa manondro ny voaloboka mamelana izany. DH: "rehefa tapitra ny fanirian'ny vony eo amin'ny voaloboka"
dia handrantsana ireo voniny
Raha hitan'ny mpamboly fa tsy mamoa ny sampana vaovao, dia ho tapahiny izany. DH: "dia handrantsana ireo voniny izay tsy mamoa ny mpamboly"
fanetezam-boaloboka
Ny fanetezam-boaloboka dia antsy ampiasain'ny olona hanapahana ny sampam-boaloboka na zava-maniry hafa.
ho kapainy sy ho entiny ireo rantsana miely
Raha hitan'ny mpamboly fa naniry be loatra ny sampana iray ka misakana ny voaloboka manontolo tsy hamoa, dia ho kapainy izany ka hariany.