# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Mampiasa fanoharana momba ny mpamboly eny amin'ny tanim-boaloboka Andriamanitra mba hamaritana izay hataony amin'ny firenena sasany. Izany firenena izany dia mety ho i Etiopia na ny fahavalon'i Etiopia. # Izao no nambaran'i Yaveh tamiko "Hoy Yaveh tamiko." Eto ny teny hoe "tamiko" dia manondro an'Isaia. # Handinika moramora avy eny amin'ny tranoko Aho Izay ho dinihin'Andriamanitra dia azo atao mazava. DH: "Handinika moramora izany firenena izany avy eny amin'ny tranoko Aho" na "avy eny amin'ny tranoko Aho no handinika moramora izay hataon'ny vahoakan'izany firenena izany" # toy ny fipoakan'ny hafanana eny amin'ny masoandro, toy ny zavon'ny rahona amin'ny hafanan'ny fijinjana Ireo andian-teny ireo dia mampiseho ny fomba fandinihan'Andriamanitra mangina ny firenena. # Mialohan'ny fijinjana Mialohan'ny fijinjana voaloboka # rehefa tapitra ny famelanana Azo atao mazava fa manondro ny voaloboka mamelana izany. DH: "rehefa tapitra ny fanirian'ny vony eo amin'ny voaloboka" # dia handrantsana ireo voniny Raha hitan'ny mpamboly fa tsy mamoa ny sampana vaovao, dia ho tapahiny izany. DH: "dia handrantsana ireo voniny izay tsy mamoa ny mpamboly" # fanetezam-boaloboka Ny fanetezam-boaloboka dia antsy ampiasain'ny olona hanapahana ny sampam-boaloboka na zava-maniry hafa. # ho kapainy sy ho entiny ireo rantsana miely Raha hitan'ny mpamboly fa naniry be loatra ny sampana iray ka misakana ny voaloboka manontolo tsy hamoa, dia ho kapainy izany ka hariany.