plt_tn/isa/05/18.md

899 B

Loza ho an'ireo izay mitari-keloka amin'ny kofehy tsy misy ilana azy sy izay mitarika ota toy ny amin'ny tadin-tsarety

Samy mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny ireo. Ireo olona minia manota hatrany dia resahina tahaka ny hoe mampiasa ny heriny rehetra hitarihina sarety. Ho faizin'Andriamanitra nohon'ny otany izy ireo. DH: "Loza ho an'ireo izay mikiry fatratra hanota tahaka ny olona mitarika sarety amin'ny tady"

ho an'ireo izay milaza hoe

Io dia manondro ireo izay manota hatrany (andininy faha 18) ary mihantsu an'Andriamanitra am-panesoana mba hanakana azy ireo. DH: "ireo mpaniratsira izay milaza hoe"

aoka ho avy ny fikasan'ilay Iray Masin'Israely

Ny fikasan'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe zavatra izay tonga ho azy eo. DH: "Aoka ilay Iray Masin'Israely hanatanteraka ny fikasany"

ilay Iray Masin'Israely

Adikao araka ny ao amin'ny 5:15 ny hoe "ilay Iray Masina."