# Loza ho an'ireo izay mitari-keloka amin'ny kofehy tsy misy ilana azy sy izay mitarika ota toy ny amin'ny tadin-tsarety Samy mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny ireo. Ireo olona minia manota hatrany dia resahina tahaka ny hoe mampiasa ny heriny rehetra hitarihina sarety. Ho faizin'Andriamanitra nohon'ny otany izy ireo. DH: "Loza ho an'ireo izay mikiry fatratra hanota tahaka ny olona mitarika sarety amin'ny tady" # ho an'ireo izay milaza hoe Io dia manondro ireo izay manota hatrany (andininy faha 18) ary mihantsu an'Andriamanitra am-panesoana mba hanakana azy ireo. DH: "ireo mpaniratsira izay milaza hoe" # aoka ho avy ny fikasan'ilay Iray Masin'Israely Ny fikasan'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe zavatra izay tonga ho azy eo. DH: "Aoka ilay Iray Masin'Israely hanatanteraka ny fikasany" # ilay Iray Masin'Israely Adikao araka ny ao amin'ny 5:15 ny hoe "ilay Iray Masina."