plt_tn/ezr/01/01.md

36 lines
1.4 KiB
Markdown

# taona voalohany
manondro ny fiandohan'ny fanjakan'i Kyrosy mpanjaka
# Yaveh
Io dia anaran'Andriamanitra izay nambarany tamin'ny vahoakany tao amin'ny Testamenta taloha. Jereo ny pejy fandikana ny teny momba an'i Yaveh mahakasika ny fomba handikana izany.
# nanatanteraka ny teniny i Yaveh
"Nanao izay nolazainy fa hataony i Yaveh"
# izay naloaky ny vavan'i Jeremia
Izay nosoratan'i Jeremia na noresahiny.
# Yaveh...nanentana ny fanahin'i Kyrosy
Ny fanentanana ny fanahy dia sarintenin'ny fanaovana ny olona iray ho te hanao zavatra. "Yaveh...nahatonga an'i Kyrosy hanao zavatra"
# Nivoaka nanerana ny fanjakany manontolo ny feon'i Kyrosy
Ny feo dia sarinteny hilazana ny hafatra izay lazain'ilay feo, ary ny fanjakana dia sarintenin'ny vahoaka izay tapahin'ny mpanjaka. DH: "Nandefa hafatra ho an'ny olona rehetra tamin'ireo izay notapahiny i Kyrosy"
# no voasoratra sy voalaza
Mety ho tsara tokoa ny handikana izany mba hahazoan'ny mpamaky fa mety nisy olon-kafa nanampy an'i Kyrosy mba hahazoan'ny olona izay tapahiny ny hafatra. DH: "izay nosoratan'i Kyrosy sy izay novakian'ireo mpitondra hafatra mba ahafahan'ny olona mandre izany"
# fanjakana rehetra amin'ny tany
Io dia itatra, satria nisy fanjakana izay tsy nanapahan'i Kyrosy.
# hanorina trano...Joda ho Azy
Mety tokony hazavainao fa ny trano dia mba hanompoan'ny vahoaka an'i Yaveh. DH: "trano izay...any Joda izay ahafahan'ny olona manompo Azy"