plt_tn/ezr/01/01.md

1.4 KiB

taona voalohany

manondro ny fiandohan'ny fanjakan'i Kyrosy mpanjaka

Yaveh

Io dia anaran'Andriamanitra izay nambarany tamin'ny vahoakany tao amin'ny Testamenta taloha. Jereo ny pejy fandikana ny teny momba an'i Yaveh mahakasika ny fomba handikana izany.

nanatanteraka ny teniny i Yaveh

"Nanao izay nolazainy fa hataony i Yaveh"

izay naloaky ny vavan'i Jeremia

Izay nosoratan'i Jeremia na noresahiny.

Yaveh...nanentana ny fanahin'i Kyrosy

Ny fanentanana ny fanahy dia sarintenin'ny fanaovana ny olona iray ho te hanao zavatra. "Yaveh...nahatonga an'i Kyrosy hanao zavatra"

Nivoaka nanerana ny fanjakany manontolo ny feon'i Kyrosy

Ny feo dia sarinteny hilazana ny hafatra izay lazain'ilay feo, ary ny fanjakana dia sarintenin'ny vahoaka izay tapahin'ny mpanjaka. DH: "Nandefa hafatra ho an'ny olona rehetra tamin'ireo izay notapahiny i Kyrosy"

no voasoratra sy voalaza

Mety ho tsara tokoa ny handikana izany mba hahazoan'ny mpamaky fa mety nisy olon-kafa nanampy an'i Kyrosy mba hahazoan'ny olona izay tapahiny ny hafatra. DH: "izay nosoratan'i Kyrosy sy izay novakian'ireo mpitondra hafatra mba ahafahan'ny olona mandre izany"

fanjakana rehetra amin'ny tany

Io dia itatra, satria nisy fanjakana izay tsy nanapahan'i Kyrosy.

hanorina trano...Joda ho Azy

Mety tokony hazavainao fa ny trano dia mba hanompoan'ny vahoaka an'i Yaveh. DH: "trano izay...any Joda izay ahafahan'ny olona manompo Azy"