# taona voalohany manondro ny fiandohan'ny fanjakan'i Kyrosy mpanjaka # Yaveh Io dia anaran'Andriamanitra izay nambarany tamin'ny vahoakany tao amin'ny Testamenta taloha. Jereo ny pejy fandikana ny teny momba an'i Yaveh mahakasika ny fomba handikana izany. # nanatanteraka ny teniny i Yaveh "Nanao izay nolazainy fa hataony i Yaveh" # izay naloaky ny vavan'i Jeremia Izay nosoratan'i Jeremia na noresahiny. # Yaveh...nanentana ny fanahin'i Kyrosy Ny fanentanana ny fanahy dia sarintenin'ny fanaovana ny olona iray ho te hanao zavatra. "Yaveh...nahatonga an'i Kyrosy hanao zavatra" # Nivoaka nanerana ny fanjakany manontolo ny feon'i Kyrosy Ny feo dia sarinteny hilazana ny hafatra izay lazain'ilay feo, ary ny fanjakana dia sarintenin'ny vahoaka izay tapahin'ny mpanjaka. DH: "Nandefa hafatra ho an'ny olona rehetra tamin'ireo izay notapahiny i Kyrosy" # no voasoratra sy voalaza Mety ho tsara tokoa ny handikana izany mba hahazoan'ny mpamaky fa mety nisy olon-kafa nanampy an'i Kyrosy mba hahazoan'ny olona izay tapahiny ny hafatra. DH: "izay nosoratan'i Kyrosy sy izay novakian'ireo mpitondra hafatra mba ahafahan'ny olona mandre izany" # fanjakana rehetra amin'ny tany Io dia itatra, satria nisy fanjakana izay tsy nanapahan'i Kyrosy. # hanorina trano...Joda ho Azy Mety tokony hazavainao fa ny trano dia mba hanompoan'ny vahoaka an'i Yaveh. DH: "trano izay...any Joda izay ahafahan'ny olona manompo Azy"