plt_tn/ezk/35/10.md

28 lines
868 B
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
Ity dia manohy ny hafatr'i Yaveh amin'ny vahoakan'ny Tendrombohitra Seira.
# Ianao efa nilaza hoe
Ny teny hoe "ianao" dia maneho ny tendrombohitra Seira izay misolo-tena ny firenen'i Edoma.
# isika
ny hoe "isika" dia maneho ny vahoakan'i Edoma.
# na dia niaraka tamin'izy ireo aza i Yaveh
Tiana lazaina eto fa Yaveh dia niaro an'Israely sy Joda. DH: "fa Yaveh dia teo niaro an'Israely sy Joda"
# raha mbola velona koa Aho
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 5:11.
# izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 5:11.
# hanao araka ny hatezeranao sy araka ny fialonana izay nanananao
Ireo mety ho heviny dia 1) "hanasazy anao nohon'ny hatezeranao sy ny fialonanao Aho" na 2) "hanao zavatra aminao amin-katezerana Aho tahaka ny hatezeranao sy amim-pialonana tahaka ny fialonanao."