plt_tn/ezk/35/10.md

868 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Ity dia manohy ny hafatr'i Yaveh amin'ny vahoakan'ny Tendrombohitra Seira.

Ianao efa nilaza hoe

Ny teny hoe "ianao" dia maneho ny tendrombohitra Seira izay misolo-tena ny firenen'i Edoma.

isika

ny hoe "isika" dia maneho ny vahoakan'i Edoma.

na dia niaraka tamin'izy ireo aza i Yaveh

Tiana lazaina eto fa Yaveh dia niaro an'Israely sy Joda. DH: "fa Yaveh dia teo niaro an'Israely sy Joda"

raha mbola velona koa Aho

Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 5:11.

izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh

Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 5:11.

hanao araka ny hatezeranao sy araka ny fialonana izay nanananao

Ireo mety ho heviny dia 1) "hanasazy anao nohon'ny hatezeranao sy ny fialonanao Aho" na 2) "hanao zavatra aminao amin-katezerana Aho tahaka ny hatezeranao sy amim-pialonana tahaka ny fialonanao."