plt_tn/ezk/01/04.md

1.3 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Ezekiela manohy mamaritra ny fahitany.

tafio-drivotra

Ity dia tafiotra mitondra rivotra mahery.

avy any avaratra

Ny avaratra dia lalana mankany an-kavianao rehefa mijery ny masoandro rehefa miposaka ianao.

rahona lehibe misy afo mitselatselatra

Afaka adika ho fehezanteny vaovao ity: "Ilay tafio-drivotra dia niaraka tamin'ny rahona lehibe sy afo mitselatselatra tao amin'izany"

sy hazavana manodidina izany sy tao anatin'izany

"ary nisy tselatra tena manjelatra nanodidina sy tao anatin'izany"

miloko volontany

"mavo mamirapiratra toy ny volontany" na "mavo mamirapiratra"

volontany

mavo fampiasa toy ny ravaka mahafinaritra amin'ny firavaka.

teo afovoany

"tao anatin'ilay tafio-drivotra"

endrika zava-manan'aina efatra

"nisy zavatra izay niendrika zava-manan'aina efatra"

Izao no endrik'izy ireo

"izao no endrik'ireo zava-manan'aina efatra"

niendrika olona ireo

"niendrika olona ireo zava-manan'aina efatra"

samy nanana tarehy efatra avy izy ireo, ary ireo zava-manan'aina tsirairay dia samy nanana elatra efatra avy

"fa ny tsirairay tamin'izy ireo dia nanana tarehy efatra samihafa sy elatra efatra." Ny zava-manan'aina tsirairay dia nanana tarehy teo anoloana, tarehy teo aoriana, ary tarehy isakin'ny sisin'ny lohany.