plt_tn/ezk/01/04.md

48 lines
1.3 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fampifandraisana ny foto-kevitra
Ezekiela manohy mamaritra ny fahitany.
# tafio-drivotra
Ity dia tafiotra mitondra rivotra mahery.
# avy any avaratra
Ny avaratra dia lalana mankany an-kavianao rehefa mijery ny masoandro rehefa miposaka ianao.
# rahona lehibe misy afo mitselatselatra
Afaka adika ho fehezanteny vaovao ity: "Ilay tafio-drivotra dia niaraka tamin'ny rahona lehibe sy afo mitselatselatra tao amin'izany"
# sy hazavana manodidina izany sy tao anatin'izany
"ary nisy tselatra tena manjelatra nanodidina sy tao anatin'izany"
# miloko volontany
"mavo mamirapiratra toy ny volontany" na "mavo mamirapiratra"
# volontany
mavo fampiasa toy ny ravaka mahafinaritra amin'ny firavaka.
# teo afovoany
"tao anatin'ilay tafio-drivotra"
# endrika zava-manan'aina efatra
"nisy zavatra izay niendrika zava-manan'aina efatra"
# Izao no endrik'izy ireo
"izao no endrik'ireo zava-manan'aina efatra"
# niendrika olona ireo
"niendrika olona ireo zava-manan'aina efatra"
# samy nanana tarehy efatra avy izy ireo, ary ireo zava-manan'aina tsirairay dia samy nanana elatra efatra avy
"fa ny tsirairay tamin'izy ireo dia nanana tarehy efatra samihafa sy elatra efatra." Ny zava-manan'aina tsirairay dia nanana tarehy teo anoloana, tarehy teo aoriana, ary tarehy isakin'ny sisin'ny lohany.