plt_tn/est/06/12.md

926 B

nisaron-doha

Matetika ny olana no mandrakotra ny lohany mba ampisehoana fa tena malaelo na menatra izy.

izay niantomboka nandavo anao teo anatrehany

Resahan'izy ireo toy ny hoe miady i Hamana sy Mordekay, ary miha resy i Hamana amin'ilay ady. Ny faharesena anaty ady dia midika ho fahafaham-baraka. DH: "eo anatrehan'ilay nahatonga anao ho tsy hanam-boninahitra" na "eo anatrehan'ilay nanambany anao"

Zaresy

Hadikao toy ny nataonao tao amin'ny 6:12 izany anaram-behivavy izany.

tsy hahatratra azy mihitsy ianao

"tsy haresy azy ianao". Eto dia resahina toy ny hoe miady i Hamana sy Mordekay. Ny fahatratrarana olona iray dia midika ho fananana voninahitra lehibe kokoa noho izay ananan'ilay iray hafa"

ho lavo eo anatrehany tokoa ianao

Eto dia resahina toy ny hoe miady i Hamana sy Mordekay. Ny fahalavoana, na faharesena dia midika ho fahafaham-baraka. DH: "azo antoka fa ho afa-baraka eo anatrehany ianao"