# nisaron-doha Matetika ny olana no mandrakotra ny lohany mba ampisehoana fa tena malaelo na menatra izy. # izay niantomboka nandavo anao teo anatrehany Resahan'izy ireo toy ny hoe miady i Hamana sy Mordekay, ary miha resy i Hamana amin'ilay ady. Ny faharesena anaty ady dia midika ho fahafaham-baraka. DH: "eo anatrehan'ilay nahatonga anao ho tsy hanam-boninahitra" na "eo anatrehan'ilay nanambany anao" # Zaresy Hadikao toy ny nataonao tao amin'ny 6:12 izany anaram-behivavy izany. # tsy hahatratra azy mihitsy ianao "tsy haresy azy ianao". Eto dia resahina toy ny hoe miady i Hamana sy Mordekay. Ny fahatratrarana olona iray dia midika ho fananana voninahitra lehibe kokoa noho izay ananan'ilay iray hafa" # ho lavo eo anatrehany tokoa ianao Eto dia resahina toy ny hoe miady i Hamana sy Mordekay. Ny fahalavoana, na faharesena dia midika ho fahafaham-baraka. DH: "azo antoka fa ho afa-baraka eo anatrehany ianao"