plt_tn/eph/04/20.md

28 lines
1.1 KiB
Markdown

# Fa tsy izany no fomba nianaranareo ny momban'i Kristy
Ny teny hoe ''izany'' dia maneho ny fomba fiainan' ireo Jentilisa, tahaka ny voafaritra tao amin'ny 4:17. Ity dia manamafy fa izay nianaran'ireo mpino momban'i Kristy dia mifanohitra amin'izany. DH: ''Fa tsy tahaka izany ny nianaranareo momban'i Kristy''
# Inoako fa naheno ny momba Azy ianareo, ary nampianarina tao aminy
Paoly dia mahafantatra fa ireo Efesiana dia nandre sy nampianarina.
# nampianarina tao aminy
Ireo dika azo heverina: 1) ''nampianatra anareo ny olon'i Jesosy'' na 2) ''nisy olona nampianatra anareo satria olon'i Jesosy ianareo.''
# satria ny fahamarinana dia ao amin'i Jesosy
''satria 'marina ny zavatra rehetra momban'i Jesosy''
# mba hanary ny fomba fiainanareo taloha
Paoly miresaka ireo toetra tsara toy ny hoe singan'akanjo izany. DH: ''mba hanajanona ny fomba fiainanareo taloha''
# mba hanary ny toetra taloha
Paoly miresaka ireo toetra tsara toy ny hoe singan'akanjo izany. DH: ''mba hanajanona ny fomba fanaonareo taloha''
# izay simba nohon'ny fitaky ny filàny
Paoly dia miresaka ny toetran'olombelona feno fahotana toy ny hoe faty mianjera ao amin'ny fasany izany.