plt_tn/deu/32/35.md

24 lines
872 B
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
Mosesy manao laha-teny kanto amin'ny vahoakan'Israely. Ity no faran'ny filazan'i Mosesy ny tenin'i Yaveh izay nanomboka tao amin'ny 32:19.
# Ahy ny famaliana, sy ny fampanodiavana
Ny teny hoe "famaliana" sy "fampanodiavana" dia mitovy hevitra. DH: "hamalifaty sy hanasazy an'ireo fahavalon'Israely Aho"
# fampanodiavana
fanasaziana na famaliana olona iray nohon'ny zavatra izay vitany
# hahasolafaka ny tongotr'izy ireo
nisy zavatra ratsy nitranga tamin'izy ireo. DH: "tsy afa-manoatra izy ireo"
# andro hahitan'izy ireo loza
"fotoana ho Ahy handravana azy ireo"
# ary hitranga faingana ireo zavatra voatendry ho azy ireo
Yaveh dia miresaka an'ireo zavatra ratsy izay hitranga amin'ireo fahavalony toy ny hoe vahoaka mihazakazaka am-paharisihana mba hanasazy azy ireo zavatra ratsy. DH: "ary hanasazy aingana azy ireo Aho"