plt_tn/deu/32/30.md

24 lines
1.2 KiB
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
Mosesy manao laha-teny kanto amin'ny vahoakan'Israely. Manohy milaza ny tenin'i Yaveh izy ary milaza azy ireo misimisy kokoa ny amin'izay mety ho azon'izy ireo raha hendry izy ireo (32:28).
# Ataon'ny iray ahoana ny hanenjika arivo ... nahafoy azy ireo?
Mampiasa fanontaniana Mosesy mba hibedesana ny vahoaka amin'ny tsy fahampian'ny fahendrena hahatakatra ny antony andresen'ny fahavalony azy ireo.
# Ataon'ny iray ahoana ny hanenjika arivo, na ny roa hampandositra iray alina
DH: "Ataon'ny miaramila fahavalo 1 ahoana ny hanenjika 1,000 amin'ny lehilahinao, sy ny miaramila fahavalo 2 hampandositra 1,000 amin'ny lehilahinao"
# raha tsy ny Vatolampiny no efa nivarotra azy
Ny teny hoe "Vatolampy" dia maneho an'i Yaveh izay matanjaka sy afaka miaro ny vahoakany. DH: "raha tsy hoe Yaveh, ilay Vatolampin'izy ireo, no nanolotra azy ireo"
# ny Vatolampiny ... ny Vatolampintsika
Ny hoe "Vatolampy" dia anarana omen'i Mosesy an'i Yaveh, izay, toy ny vatolampy, dia matanjaka sy afaka miaro ny vahoakany. Adikao toy ny tao amin'ny 32:3 ny hoe "Vatolampy"
# araka izay efa eken'ny fahavalontsika
"tsy hoe isika irery no miteny izany, fa miteny izany koa ny fahavalontsika"