plt_tn/deu/32/30.md

1.2 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Mosesy manao laha-teny kanto amin'ny vahoakan'Israely. Manohy milaza ny tenin'i Yaveh izy ary milaza azy ireo misimisy kokoa ny amin'izay mety ho azon'izy ireo raha hendry izy ireo (32:28).

Ataon'ny iray ahoana ny hanenjika arivo ... nahafoy azy ireo?

Mampiasa fanontaniana Mosesy mba hibedesana ny vahoaka amin'ny tsy fahampian'ny fahendrena hahatakatra ny antony andresen'ny fahavalony azy ireo.

Ataon'ny iray ahoana ny hanenjika arivo, na ny roa hampandositra iray alina

DH: "Ataon'ny miaramila fahavalo 1 ahoana ny hanenjika 1,000 amin'ny lehilahinao, sy ny miaramila fahavalo 2 hampandositra 1,000 amin'ny lehilahinao"

raha tsy ny Vatolampiny no efa nivarotra azy

Ny teny hoe "Vatolampy" dia maneho an'i Yaveh izay matanjaka sy afaka miaro ny vahoakany. DH: "raha tsy hoe Yaveh, ilay Vatolampin'izy ireo, no nanolotra azy ireo"

ny Vatolampiny ... ny Vatolampintsika

Ny hoe "Vatolampy" dia anarana omen'i Mosesy an'i Yaveh, izay, toy ny vatolampy, dia matanjaka sy afaka miaro ny vahoakany. Adikao toy ny tao amin'ny 32:3 ny hoe "Vatolampy"

araka izay efa eken'ny fahavalontsika

"tsy hoe isika irery no miteny izany, fa miteny izany koa ny fahavalontsika"