# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Mosesy manao laha-teny kanto amin'ny vahoakan'Israely. Manohy milaza ny tenin'i Yaveh izy ary milaza azy ireo misimisy kokoa ny amin'izay mety ho azon'izy ireo raha hendry izy ireo (32:28). # Ataon'ny iray ahoana ny hanenjika arivo ... nahafoy azy ireo? Mampiasa fanontaniana Mosesy mba hibedesana ny vahoaka amin'ny tsy fahampian'ny fahendrena hahatakatra ny antony andresen'ny fahavalony azy ireo. # Ataon'ny iray ahoana ny hanenjika arivo, na ny roa hampandositra iray alina DH: "Ataon'ny miaramila fahavalo 1 ahoana ny hanenjika 1,000 amin'ny lehilahinao, sy ny miaramila fahavalo 2 hampandositra 1,000 amin'ny lehilahinao" # raha tsy ny Vatolampiny no efa nivarotra azy Ny teny hoe "Vatolampy" dia maneho an'i Yaveh izay matanjaka sy afaka miaro ny vahoakany. DH: "raha tsy hoe Yaveh, ilay Vatolampin'izy ireo, no nanolotra azy ireo" # ny Vatolampiny ... ny Vatolampintsika Ny hoe "Vatolampy" dia anarana omen'i Mosesy an'i Yaveh, izay, toy ny vatolampy, dia matanjaka sy afaka miaro ny vahoakany. Adikao toy ny tao amin'ny 32:3 ny hoe "Vatolampy" # araka izay efa eken'ny fahavalontsika "tsy hoe isika irery no miteny izany, fa miteny izany koa ny fahavalontsika"