plt_tn/deu/24/03.md

32 lines
1.1 KiB
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely momban'ny vehivavy iray izay misara-panambadiana ary manambady lehilahy hafa.
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina eto.
# Raha mankahala azy ilay vadiny faharoa
"raha toa ilay vady faharoa manapa-kevitra fa mankahala ilay vehivavy"
# taratasy fanamarinana fisaraham-panambadiana
Ity dia taratasy ara-dalàna izay milaza fa tsy mpivady intsony ilay vehivavy sy ilay lehilahy. Adikao toy ny tao amin'ny 24:1 ity.
# apetraho eo am-pelatanany izany
"omeo an'ilay vehivavy izany"
# ilay lehilahy izay naka azy ho vady
"ilay lehilahy faharoa izay nanambady an-dravehivavy"
# rehefa voaloto izy
Afaka atao mazava tsara ny hevitr'ity fanambarana ity. DH: "rehefa voaloto tamin'ilay fisaraham-panambadiana sy fanambadiana lehilahy hafa indray izy"
# Aza manao izay mahatonga ny tany ho meloka ianao
Ilay tany dia resahina toy ny hoe mety ho fahotana izany. DH: "aza manaparitaka heloka manodidina an'ilay tany"