plt_tn/deu/24/03.md

1.1 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely momban'ny vehivavy iray izay misara-panambadiana ary manambady lehilahy hafa.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina eto.

Raha mankahala azy ilay vadiny faharoa

"raha toa ilay vady faharoa manapa-kevitra fa mankahala ilay vehivavy"

taratasy fanamarinana fisaraham-panambadiana

Ity dia taratasy ara-dalàna izay milaza fa tsy mpivady intsony ilay vehivavy sy ilay lehilahy. Adikao toy ny tao amin'ny 24:1 ity.

apetraho eo am-pelatanany izany

"omeo an'ilay vehivavy izany"

ilay lehilahy izay naka azy ho vady

"ilay lehilahy faharoa izay nanambady an-dravehivavy"

rehefa voaloto izy

Afaka atao mazava tsara ny hevitr'ity fanambarana ity. DH: "rehefa voaloto tamin'ilay fisaraham-panambadiana sy fanambadiana lehilahy hafa indray izy"

Aza manao izay mahatonga ny tany ho meloka ianao

Ilay tany dia resahina toy ny hoe mety ho fahotana izany. DH: "aza manaparitaka heloka manodidina an'ilay tany"