# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely momban'ny vehivavy iray izay misara-panambadiana ary manambady lehilahy hafa. # Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina eto. # Raha mankahala azy ilay vadiny faharoa "raha toa ilay vady faharoa manapa-kevitra fa mankahala ilay vehivavy" # taratasy fanamarinana fisaraham-panambadiana Ity dia taratasy ara-dalàna izay milaza fa tsy mpivady intsony ilay vehivavy sy ilay lehilahy. Adikao toy ny tao amin'ny 24:1 ity. # apetraho eo am-pelatanany izany "omeo an'ilay vehivavy izany" # ilay lehilahy izay naka azy ho vady "ilay lehilahy faharoa izay nanambady an-dravehivavy" # rehefa voaloto izy Afaka atao mazava tsara ny hevitr'ity fanambarana ity. DH: "rehefa voaloto tamin'ilay fisaraham-panambadiana sy fanambadiana lehilahy hafa indray izy" # Aza manao izay mahatonga ny tany ho meloka ianao Ilay tany dia resahina toy ny hoe mety ho fahotana izany. DH: "aza manaparitaka heloka manodidina an'ilay tany"