plt_tn/deu/03/08.md

32 lines
1.0 KiB
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
Mosesy manohy miresaka amin'ireo vahoakan'Israely.
# teo am-pelatanan'ireo mpanjaka roa
Eto ny sarin-teny hoe "teo am-pelatanana" dia midika hoe "teo amin'ny fifehezan'ny." DH: "teo amin'ny fifehezan'ireo mpanjaka roa" na "teo amin'ireo mpanjaka"
# Amorita ... Basana ... Edrehy ... Oga
"vahoaka Amorita ... tanin'i Basana ... tanànan'i Edrehy ... Oga Mpanjaka" Adikao toy ny nataonao tao amin'ny 1:3 ireo.
# tany an-dafin'i Jordana
Ity dia maneho ny tany manerana ny Renirano Jordana, mankany atsinanan'Israely. Mosesy dia tany atsinanan'i Jordana rehefa niteny ity izy. DH: '"atsinanan'ny Renirano Jordana" Adikao toy ny ao amin'ny 1:1 ity.
# Lohasahan'i Arona
Adikao toy ny nataonao tao amin'ny 2:24 ireo teny ireo.
# Tendrombohitra Hermona ... Siriona ... Senira
Ireo rehetra ireo dia anarana tendrombohitra iray ihany izay any amin'ny morony avaratr'i Basana.
# tany lemaka
Ity dia tany avo, fisaka eo anelanelan'ny Renirano Arnona sy Tendrombohitra Gileada.
# Saleka
Anaran-tanàna akaikin'i Edrehy ity.