plt_tn/deu/03/08.md

1.0 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Mosesy manohy miresaka amin'ireo vahoakan'Israely.

teo am-pelatanan'ireo mpanjaka roa

Eto ny sarin-teny hoe "teo am-pelatanana" dia midika hoe "teo amin'ny fifehezan'ny." DH: "teo amin'ny fifehezan'ireo mpanjaka roa" na "teo amin'ireo mpanjaka"

Amorita ... Basana ... Edrehy ... Oga

"vahoaka Amorita ... tanin'i Basana ... tanànan'i Edrehy ... Oga Mpanjaka" Adikao toy ny nataonao tao amin'ny 1:3 ireo.

tany an-dafin'i Jordana

Ity dia maneho ny tany manerana ny Renirano Jordana, mankany atsinanan'Israely. Mosesy dia tany atsinanan'i Jordana rehefa niteny ity izy. DH: '"atsinanan'ny Renirano Jordana" Adikao toy ny ao amin'ny 1:1 ity.

Lohasahan'i Arona

Adikao toy ny nataonao tao amin'ny 2:24 ireo teny ireo.

Tendrombohitra Hermona ... Siriona ... Senira

Ireo rehetra ireo dia anarana tendrombohitra iray ihany izay any amin'ny morony avaratr'i Basana.

tany lemaka

Ity dia tany avo, fisaka eo anelanelan'ny Renirano Arnona sy Tendrombohitra Gileada.

Saleka

Anaran-tanàna akaikin'i Edrehy ity.