plt_tn/deu/01/26.md

930 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Mosesy manohy mampatsiahy ny olona ny amin'izay nataon'ny taranak'ireo Israelita teo aloha.

Kanefa ianareo nandà ny hanafika

Andriamanitra dia nibaiko ireo Israelita mba hanafika sy hamotika ireo Amorita, saingy natahotra ireo Israelita ary nandà ny hiady amin'izy ireo.

eny am-pelatanan'ireo Amorita

Eto ny hoe "eny am-pelatanana" dia midika hoe manome ireo Amorita fahefana eo amin'izy ireo. DH: "eo amin'ny fahefan'ireo Amorita"

Aiza no azontsika aleha ankehitriny?

Eto ity fanontaniana ity dia manamafy ny fahatahoran'izy ireo. Afaka atao fanambarana ity fanontaniana ity. DH: "Tsy misy azontsika aleha."

sy voaaro mafy manakatra ny lanitra

Ity dia fanitarana izay manamafy ny tahotr'ireo vahoaka satria lehibe sy mafy ireo tanàna.

voaaro manakatra ny

"misy rindrina izay avo toy ny"

zanaky ny Anakita

Misy taranaky ny olona Anakita izay tena vaventy sy mafy.