plt_tn/act/15/22.md

1.1 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Eto i Joda sy Silasy no ilazana azy ireo. Ny teny hoe "izy ireo" dia manondro ireo apostoly, loholona ary mpino hafa ao amin'ny fiangonana tao Jerosalema.

'ny fiangonana manontolo,

Eto ny "fiangonana"dia manondro ireo olona izay mpikambana amin'ny fiangonana ao Jerosalema. DH: "ny fiangonana ao Jerosalema" na "ireo fiaraha-monina mpino manontolo tao Jerosalema"

Joda izay antsoina hoe Barsabasy,

Izany no anaran'ny lehilahy. "Barsabbas" kosa dia fanampin'anarana izay fiantsoan'ny olona azy.

'ireo apostoly sy ireo loholona, niaraka tamin'ny fiangonana manontolo, ny hifidy an'i Joda izay antsoina hoe Barsabasy, sy i Silasy, ry Kilikia: Arahaba!

Ity no fampidirana ilay taratasy. Ny fiteninao dia mety hanana fomba fampidiran'ny mpanoratra ny taratasy ary ho an'izay nanoratany azy. DH: "Ity taratasy ity dia avy amin'ireo Apôstôly, ireo loholona, ary ny mpiray finoana ao Jerosalema." Manoratra ho an'ny mpino jentilisa ao Antiokia sy Syria ary Kilikia isika. Arahaba!

Kilikia

Izany no anaran'ny faritany iray any amin'ny morontsirak'i Azia Minora any avaratry ny nosy Sipra.