# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Eto i Joda sy Silasy no ilazana azy ireo. Ny teny hoe "izy ireo" dia manondro ireo apostoly, loholona ary mpino hafa ao amin'ny fiangonana tao Jerosalema. # 'ny fiangonana manontolo, Eto ny "fiangonana"dia manondro ireo olona izay mpikambana amin'ny fiangonana ao Jerosalema. DH: "ny fiangonana ao Jerosalema" na "ireo fiaraha-monina mpino manontolo tao Jerosalema" # Joda izay antsoina hoe Barsabasy, Izany no anaran'ny lehilahy. "Barsabbas" kosa dia fanampin'anarana izay fiantsoan'ny olona azy. # 'ireo apostoly sy ireo loholona, niaraka tamin'ny fiangonana manontolo, ny hifidy an'i Joda izay antsoina hoe Barsabasy, sy i Silasy, ry Kilikia: Arahaba! Ity no fampidirana ilay taratasy. Ny fiteninao dia mety hanana fomba fampidiran'ny mpanoratra ny taratasy ary ho an'izay nanoratany azy. DH: "Ity taratasy ity dia avy amin'ireo Apôstôly, ireo loholona, ary ny mpiray finoana ao Jerosalema." Manoratra ho an'ny mpino jentilisa ao Antiokia sy Syria ary Kilikia isika. Arahaba! # Kilikia Izany no anaran'ny faritany iray any amin'ny morontsirak'i Azia Minora any avaratry ny nosy Sipra.