plt_tn/act/09/36.md

32 lines
899 B
Markdown

# Fampifandraisana ny foto-kevitra
Nanohy ny tantara tamin'ny zava-nitranga vaovao momba an'i Petera i Lioka.
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
Ireo andininy ireo dia manome fampahalalana fototra momba ny vehivavy nantsoina hoe Tabita.
# Ary nisy
Io dia mampiditra fizarana vaovao ao amin'ny Tantara.
# Tabita tao Jopa, izay adika hoe "Dorkasy."
Tabitha no anarany amin'ny teny aramianina, ary i Dorkasy no anarany amin'ny teny Grika. Samy midika hoe "gazela" ireo anarana roa ireo. DH: "Ny anarany amin'ny teny Grika dia Dorkasy"
# asa soa betsaka
"nanao zavatra tsara maro"
# Tamin'ireo andro ireo
Izany dia manondro ny fotoana nijanon'i Petera tao Jopa. DH: "Raha mbola teo akaiky teo i Petera"
# nanasa azy
Io no fanasana mba hanomanana ny fandevenana azy.
# napetrak'izy ireo tao amin'ny efitrano ambony izy.
Ity dia fampisehoana vetivety ny vatana mandritra ny fandevenana.