plt_tn/act/03/24.md

1.1 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Namarana ny teniny tamin'ireo Jiosy izay natombony tao amin'ny 3:11

Eny, ary ireo mpaminany rehetra

Eto ny teny hoe "Eny" dia manamafy izay manaraka azy.

nanomboka teo amin'i Samoela sy ireo izay tonga taoriany

"niantomboka tamin'i Samoely ary notohizan'ireo mpaminany izay niaina taty aorinany"

ireo andro ireo

Azo hadika koa hoe: "ireo zavatra izay hitranga izao"

Ianareo no zanak'ireo mpaminany sy ny fanekena

Eto ny teny hoe "zanaka" dia maneho ireo mpandova izay handray ireo mpaminany sy ilay fifanekena nampanantenaina. DH: "Ianareo no mpandovan'ireo mpaminany sy mpandova ny fifanekena"

Ao amin'ny taranakareo

"Noho ireo zanakareo"

ho tahiana ireo fianakaviana rehetra eran-tany

Eto ny teny hoe "fianakaviana" dia manambara ireo vondron'olona na ireo firenena. Azo hadika koa hoe: "Ho tahiko ny olona rehetra eto an-tany"

Taorian'ny nananganan'Andriamanitra ny mpanompony

"Taorian'ny nampisehoan'Andriamanitra ny mpanompony" na "Taorian'ny nanomezan'Andriamanitra fahefana ny mpanompony"

ny mpanompony

Io dia manambara an'ilay Messia, Jesosy.