# Fampifandraisana ny foto-kevitra Namarana ny teniny tamin'ireo Jiosy izay natombony tao amin'ny 3:11 # Eny, ary ireo mpaminany rehetra Eto ny teny hoe "Eny" dia manamafy izay manaraka azy. # nanomboka teo amin'i Samoela sy ireo izay tonga taoriany "niantomboka tamin'i Samoely ary notohizan'ireo mpaminany izay niaina taty aorinany" # ireo andro ireo Azo hadika koa hoe: "ireo zavatra izay hitranga izao" # Ianareo no zanak'ireo mpaminany sy ny fanekena Eto ny teny hoe "zanaka" dia maneho ireo mpandova izay handray ireo mpaminany sy ilay fifanekena nampanantenaina. DH: "Ianareo no mpandovan'ireo mpaminany sy mpandova ny fifanekena" # Ao amin'ny taranakareo "Noho ireo zanakareo" # ho tahiana ireo fianakaviana rehetra eran-tany Eto ny teny hoe "fianakaviana" dia manambara ireo vondron'olona na ireo firenena. Azo hadika koa hoe: "Ho tahiko ny olona rehetra eto an-tany" # Taorian'ny nananganan'Andriamanitra ny mpanompony "Taorian'ny nampisehoan'Andriamanitra ny mpanompony" na "Taorian'ny nanomezan'Andriamanitra fahefana ny mpanompony" # ny mpanompony Io dia manambara an'ilay Messia, Jesosy.