plt_tn/2sa/17/11.md

1.5 KiB

tokony havory miaraka eto aminao ny Israely rehetra

Ny miaramila rehetra tany Israely ihany koa eto dia tondroina amin'ny hoe "ny Israely rehetra". DH: "tokony havory miaraka eto aminao ny miaramila Israelita rehetra"

manomboka any Dana ka hatrany Beri-sheba

Io andianteny io dia midika hoe manomboka amin'ny sisiny avaratr'i Israely ka hatrany amin'ny sisiny atsimo. DH: "amin'ny firenen'Israely manontolo"

maro isa toy ny fasika eo amoron-dranomasina

Io dia itatra izay ampitahana ny fasika eny amoron-dranomasina rehetra amin'ny isan'ny miaramila Israelita. DH: "koa betsaka ka tsy voaisan'izy ireo tokoa"

ary ny tenanao mihitsy no andeha hiady

Ny andianteny hoe "tenanao mihitsy" dia midika hoe ianao tenanao no handeha fa tsy haniraka olon-kafa. DH: "dia tarihonao ho ao amin'ny ady mihitsy izy ireo"

ho tonga eo aminy

Io dia midika hoe mandeha amin-tanjona any amin'izay misy azy ary hanafika avy eo.

handrakotra azy tahaka ny ando mianjera amin'ny tany izahay

Ny tafik'i Absaloma soritsoritana hoe nandrakotra ny tafik'i Davida dia resahina toy ny hoe ando mandrakotra ny tany amin'ny maraina. DH: "hanafotra sy handresy ny tafik'i Davida tanteraka izahay"

ando

zavon-drano izay afaka milatsaka amin'ny tany mandritra ny alina, mandrakotra ny tany ary mandena izany amin'ny maraina

Tsy misy avelanay ho velona na dia iray amin'ireo olony

DH: "Hovonoinay ny olony rehetra"

izy tenany

Ireo teny roa ireo dia samy manondro an'i Davida. DH: "Davida tenany"