plt_tn/2ki/19/16.md

989 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Nanohy ny fivavany tamin'i Yaveh i Hezekia mpanjaka taorian'ny nahazoany ilay taratasy avy tany amin'i Sankeriba mpanjakan'i Asyria.

Atongilano ny sofinao, ry Yaveh, ary mihainoa. Ahirato ny masonao, ry Yaveh, ka mijere

Ireo fehezanteny roa ireo dia samy mamporisika an'i Yaveh mba hihaino ireo zavatra izay lazain'i Sankeriba.

Atongilano ny sofinao, ry Yaveh, ary mihainoa.

Ny andian-teny hoe "Atongilano ny sofinao" sy ny hoe "mihainoa" dia mitovy ihany ny heviny ary maneho fa fanamafisan-kevitra ny amin'ny fanasongadinana. DH: "Ry Yaveh, mba henoy re izay miseho."

Ahirato ny masonao, ry Yaveh, ka mijere

Ny andian-teny hoe "ahirato ny masonao" sy ny hoe "mijere" dia mitoy ny heviny

Efa nandoro ny andriamanitr'izy ireo tao anaty afo izy ireo

Efa nodoran'ireo mpanjaka Asyriana avokoa ireo andriamanitr'ireo firenena.

nopotehin'ny Asyriana izy ireo

Samy nopotehin'ireo Asyriana ireo firenena sy ireo andriamanitr'izy ireo.