plt_tn/2ki/19/16.md

24 lines
989 B
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Nanohy ny fivavany tamin'i Yaveh i Hezekia mpanjaka taorian'ny nahazoany ilay taratasy avy tany amin'i Sankeriba mpanjakan'i Asyria.
# Atongilano ny sofinao, ry Yaveh, ary mihainoa. Ahirato ny masonao, ry Yaveh, ka mijere
Ireo fehezanteny roa ireo dia samy mamporisika an'i Yaveh mba hihaino ireo zavatra izay lazain'i Sankeriba.
# Atongilano ny sofinao, ry Yaveh, ary mihainoa.
Ny andian-teny hoe "Atongilano ny sofinao" sy ny hoe "mihainoa" dia mitovy ihany ny heviny ary maneho fa fanamafisan-kevitra ny amin'ny fanasongadinana. DH: "Ry Yaveh, mba henoy re izay miseho."
# Ahirato ny masonao, ry Yaveh, ka mijere
Ny andian-teny hoe "ahirato ny masonao" sy ny hoe "mijere" dia mitoy ny heviny
# Efa nandoro ny andriamanitr'izy ireo tao anaty afo izy ireo
Efa nodoran'ireo mpanjaka Asyriana avokoa ireo andriamanitr'ireo firenena.
# nopotehin'ny Asyriana izy ireo
Samy nopotehin'ireo Asyriana ireo firenena sy ireo andriamanitr'izy ireo.