plt_tn/2ki/08/25.md

1.3 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Lasa mpanjakan'i Joda i Ahazia.

Tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo nanjakan'i Jorama zanaka lahin'i Ahaba, mpanjakan'Israely

Izany dia manoritsoritra ny fotoana nanombohan'i Ahazia nanjaka tao Joda amin'ny filazana ny fe-potoana nanjakan'i Jorama, ilay mpanjakan'Israely tamin'izany fotoana izany. DH: "Tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo naha-mpanjakan'Israely an'i Jorama"

taona faharoa ambin'ny folo

"taona faha 12"

Roa amby roapolo taona

"22 taona"

Atalia ... Omry

Atalia dia anaram-behivavy. Omry kosa dia anaran-dehilahy.

Nandeha tamin'ireo lalan'ny ankohonan'i Ahaba i Ahazia

Eto ny hoe "mandeha" dia ilazana ny fomba fitondran-tenany sy ny fomba fiainany. DH: "Niaina tahaka ireo hafa"

ankohonan'i Ahaba

Eto ny hoe "ankohonana" dia ilazana ny fianakaviany. DH: "ny fianakavian'i Ahaba"

nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy

Eto ny hoe "imason'i Yaveh" dia ilazana izay fihevitr'i Yaveh. DH: "nanao izay noheverin'i Yaveh fa ratsy izy" na "nanao izay nolazain'i Yaveh fa ratsy izy"

vinanto lahy tamin'ny ankohonan'i Ahaba

Izany dia manazava ny fifandraisan'ny fianakavian'i Ahazia amin'i Ahaba. Nanambady ny zanaka vavin'i Ahaba ny rain'i Ahazia. Azo azavaina ny hevitr'izany. DH: "zanaka lahin'ny vinanto lahin'i Ahaba" na "zafikelin'i Ahaba mpanjaka"