# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Lasa mpanjakan'i Joda i Ahazia. # Tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo nanjakan'i Jorama zanaka lahin'i Ahaba, mpanjakan'Israely Izany dia manoritsoritra ny fotoana nanombohan'i Ahazia nanjaka tao Joda amin'ny filazana ny fe-potoana nanjakan'i Jorama, ilay mpanjakan'Israely tamin'izany fotoana izany. DH: "Tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo naha-mpanjakan'Israely an'i Jorama" # taona faharoa ambin'ny folo "taona faha 12" # Roa amby roapolo taona "22 taona" # Atalia ... Omry Atalia dia anaram-behivavy. Omry kosa dia anaran-dehilahy. # Nandeha tamin'ireo lalan'ny ankohonan'i Ahaba i Ahazia Eto ny hoe "mandeha" dia ilazana ny fomba fitondran-tenany sy ny fomba fiainany. DH: "Niaina tahaka ireo hafa" # ankohonan'i Ahaba Eto ny hoe "ankohonana" dia ilazana ny fianakaviany. DH: "ny fianakavian'i Ahaba" # nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy Eto ny hoe "imason'i Yaveh" dia ilazana izay fihevitr'i Yaveh. DH: "nanao izay noheverin'i Yaveh fa ratsy izy" na "nanao izay nolazain'i Yaveh fa ratsy izy" # vinanto lahy tamin'ny ankohonan'i Ahaba Izany dia manazava ny fifandraisan'ny fianakavian'i Ahazia amin'i Ahaba. Nanambady ny zanaka vavin'i Ahaba ny rain'i Ahazia. Azo azavaina ny hevitr'izany. DH: "zanaka lahin'ny vinanto lahin'i Ahaba" na "zafikelin'i Ahaba mpanjaka"