plt_tn/2ki/08/25.md

36 lines
1.3 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Lasa mpanjakan'i Joda i Ahazia.
# Tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo nanjakan'i Jorama zanaka lahin'i Ahaba, mpanjakan'Israely
Izany dia manoritsoritra ny fotoana nanombohan'i Ahazia nanjaka tao Joda amin'ny filazana ny fe-potoana nanjakan'i Jorama, ilay mpanjakan'Israely tamin'izany fotoana izany. DH: "Tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo naha-mpanjakan'Israely an'i Jorama"
# taona faharoa ambin'ny folo
"taona faha 12"
# Roa amby roapolo taona
"22 taona"
# Atalia ... Omry
Atalia dia anaram-behivavy. Omry kosa dia anaran-dehilahy.
# Nandeha tamin'ireo lalan'ny ankohonan'i Ahaba i Ahazia
Eto ny hoe "mandeha" dia ilazana ny fomba fitondran-tenany sy ny fomba fiainany. DH: "Niaina tahaka ireo hafa"
# ankohonan'i Ahaba
Eto ny hoe "ankohonana" dia ilazana ny fianakaviany. DH: "ny fianakavian'i Ahaba"
# nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy
Eto ny hoe "imason'i Yaveh" dia ilazana izay fihevitr'i Yaveh. DH: "nanao izay noheverin'i Yaveh fa ratsy izy" na "nanao izay nolazain'i Yaveh fa ratsy izy"
# vinanto lahy tamin'ny ankohonan'i Ahaba
Izany dia manazava ny fifandraisan'ny fianakavian'i Ahazia amin'i Ahaba. Nanambady ny zanaka vavin'i Ahaba ny rain'i Ahazia. Azo azavaina ny hevitr'izany. DH: "zanaka lahin'ny vinanto lahin'i Ahaba" na "zafikelin'i Ahaba mpanjaka"