plt_tn/2ki/08/05.md

775 B

nameloman'i Elisa ilay zaza izay efa maty

"namerenan'i Elisa indray ny ain'ilay zaza izay efa maty"

ny amin'ny tranony sy ny taniny

Raha lasa nandeha ilay vehivavy, dia nogiazana ny tranony sy ny fananany. Niangavy azy ireo izy mba hamerina izany aminy. Azo azavaina ny tena hevitr'izany andian-teny izany. DH: "ny mba hamerenana aminy ny tranony sy ny fananany"

momba ny zanany

Ny tantaran'ilay fahafatesan'ny zanany sy ny namerenan'i Elisa indray ny ainy no lazaina amin'izany. Azo azavaina ny dikan'izany andian-teny izany. DH: "momba izay nanjo ny zanany"

ny vokatry ny sahany rehetra

Izany dia sarinteny ilazana ny habetsaky ny vola sandan'ireo vokatry ny sahany raha mbola tsy teo an-toerana izy. DH: "ny tombony rehetra avy amin'ireo vokatry ny sahany"