plt_tn/2co/04/01.md

1.7 KiB

fampifandraisana ny foto-kevitra:

I Paoly dia manoratra fa izy dia marina amin'ny asa fanompoany amin'ny fitoriany an'i Kristy, fa tsy midera-tena. Mampiseho ny fahafatesana sy ny fiainan'i Jesosy amin'ny fomba fiainany izy, mba hahafahan'izany fiainana izany hiasa ao amin'ireo Korintiana.

manana izany asa fanompoana izany izahay

Eto ny teny hoe: "izahay" dia manondro an'i Paoly sy ireo mpiara-miasa aminy, fa tsy ireo Korintiana.

ary raha vao nahazo ny famindram-po

Izany fehezanteny izany dia manazava ny fomba nananan'i Paoly sy ireo mpiara-miasa aminy "izany asa fanompoana izany." Izany dia fanomezana izay nomen'Andriamanitra azy ireo tamin'ny alalan'ny famindram-pony. DH: "satria Andriamanitra nampiseho famindram-po taminay"

nolavinay ireo fomba mahamenatra sy miafina

Izany dia midika fa i Paoly sy ireo mpiara-miasa aminy dia tsy manaiky ny hanao ireo zava-mahamenatra sy miafina.Tsy midika izany fa nanaoizany izy ireo taloha.

fomba mahamenatra sy miafina

Ny teny hoe "miafina" dia mamaritra ny zavatra izay "mahamenatra." DH: "fomba izay mamenatra tokoa hany ka afenin'ny olona"

ary mampiasa marina ny tenin'Andriamanitra

DH: "Mampiasa ny tenin'Andriamanitra tsara"

izahay dia mandidy ny tenanay ny amin'ny feon'ny fieritreretan'ny olona

Izany dia midika fa manome porofo ampy ho an'ny olona tsirairay izay mandre azy ireo, mba hanapa-kevitra raha marina na diso izy ireo.

eo imason'Andriamanitra

Izany dia ilazana ny fanatrehan'Andriamanitra. Ny fahazoan'Andriamanitra sy ny fankataovany ny fahamarinan'i Paoly dia ambara ho toy ny hoe mahita azy ireo Andriamanitra. DH: "eo anolon'Andriamanitra" na "miaraka amin'Andriamanitra ho vavolombelona"