# fampifandraisana ny foto-kevitra: I Paoly dia manoratra fa izy dia marina amin'ny asa fanompoany amin'ny fitoriany an'i Kristy, fa tsy midera-tena. Mampiseho ny fahafatesana sy ny fiainan'i Jesosy amin'ny fomba fiainany izy, mba hahafahan'izany fiainana izany hiasa ao amin'ireo Korintiana. # manana izany asa fanompoana izany izahay Eto ny teny hoe: "izahay" dia manondro an'i Paoly sy ireo mpiara-miasa aminy, fa tsy ireo Korintiana. # ary raha vao nahazo ny famindram-po Izany fehezanteny izany dia manazava ny fomba nananan'i Paoly sy ireo mpiara-miasa aminy "izany asa fanompoana izany." Izany dia fanomezana izay nomen'Andriamanitra azy ireo tamin'ny alalan'ny famindram-pony. DH: "satria Andriamanitra nampiseho famindram-po taminay" # nolavinay ireo fomba mahamenatra sy miafina Izany dia midika fa i Paoly sy ireo mpiara-miasa aminy dia tsy manaiky ny hanao ireo zava-mahamenatra sy miafina.Tsy midika izany fa nanaoizany izy ireo taloha. # fomba mahamenatra sy miafina Ny teny hoe "miafina" dia mamaritra ny zavatra izay "mahamenatra." DH: "fomba izay mamenatra tokoa hany ka afenin'ny olona" # ary mampiasa marina ny tenin'Andriamanitra DH: "Mampiasa ny tenin'Andriamanitra tsara" # izahay dia mandidy ny tenanay ny amin'ny feon'ny fieritreretan'ny olona Izany dia midika fa manome porofo ampy ho an'ny olona tsirairay izay mandre azy ireo, mba hanapa-kevitra raha marina na diso izy ireo. # eo imason'Andriamanitra Izany dia ilazana ny fanatrehan'Andriamanitra. Ny fahazoan'Andriamanitra sy ny fankataovany ny fahamarinan'i Paoly dia ambara ho toy ny hoe mahita azy ireo Andriamanitra. DH: "eo anolon'Andriamanitra" na "miaraka amin'Andriamanitra ho vavolombelona"