plt_tn/2co/04/01.md

32 lines
1.7 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# fampifandraisana ny foto-kevitra:
I Paoly dia manoratra fa izy dia marina amin'ny asa fanompoany amin'ny fitoriany an'i Kristy, fa tsy midera-tena. Mampiseho ny fahafatesana sy ny fiainan'i Jesosy amin'ny fomba fiainany izy, mba hahafahan'izany fiainana izany hiasa ao amin'ireo Korintiana.
# manana izany asa fanompoana izany izahay
Eto ny teny hoe: "izahay" dia manondro an'i Paoly sy ireo mpiara-miasa aminy, fa tsy ireo Korintiana.
# ary raha vao nahazo ny famindram-po
Izany fehezanteny izany dia manazava ny fomba nananan'i Paoly sy ireo mpiara-miasa aminy "izany asa fanompoana izany." Izany dia fanomezana izay nomen'Andriamanitra azy ireo tamin'ny alalan'ny famindram-pony. DH: "satria Andriamanitra nampiseho famindram-po taminay"
# nolavinay ireo fomba mahamenatra sy miafina
Izany dia midika fa i Paoly sy ireo mpiara-miasa aminy dia tsy manaiky ny hanao ireo zava-mahamenatra sy miafina.Tsy midika izany fa nanaoizany izy ireo taloha.
# fomba mahamenatra sy miafina
Ny teny hoe "miafina" dia mamaritra ny zavatra izay "mahamenatra." DH: "fomba izay mamenatra tokoa hany ka afenin'ny olona"
# ary mampiasa marina ny tenin'Andriamanitra
DH: "Mampiasa ny tenin'Andriamanitra tsara"
# izahay dia mandidy ny tenanay ny amin'ny feon'ny fieritreretan'ny olona
Izany dia midika fa manome porofo ampy ho an'ny olona tsirairay izay mandre azy ireo, mba hanapa-kevitra raha marina na diso izy ireo.
# eo imason'Andriamanitra
Izany dia ilazana ny fanatrehan'Andriamanitra. Ny fahazoan'Andriamanitra sy ny fankataovany ny fahamarinan'i Paoly dia ambara ho toy ny hoe mahita azy ireo Andriamanitra. DH: "eo anolon'Andriamanitra" na "miaraka amin'Andriamanitra ho vavolombelona"