plt_tn/1ti/05/01.md

1002 B

Fampifandraisana ny foto-kevitra

I Paoly dia manohy ny fitenenana an'i Timoty amin'ny fomba hitondrana ireo lehilahy, ireo vehivavy, ireo maty vady, ary ireo vehivavy tanora ao am-piangonana.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Nanome ireo didy ireo tamin'ny olona iray i Paoly, Timoty. Ireo karazana fomba fiteny rehetra amin'ny hoe: "ianao" na ireo endrika hafa ilazana ny hoe mandidy dia afaka ampiasaina amin'ny endrika manondro olona tokana eto.

Aza mibedy ny lahy antitra

"Aza miteny mafy amin'ny lahy antitra"

Fa kosa, anaro....izy

"Fa kosa, ankaherezo izy"

toy ny ray izy...toy ny rahalahy... tahaka ny reny...toy ny anabavy

I Paoly dia mampiasa fanoharana mba hitenenana an'i Timoty fa izy dia tokony hitondra ireo namany mpino am-pitiavana marina sy fanajana.

ireo vehivahy tanora

DH: "ary anaro ireo vehivavy tanora" na "ary ankaherezo ireo vehivavy tanora"

ao amin'ny fahadiovana rehetra

"miaraka amin'ny fahadiovan-tsaina sy ireo asa" na "amin'ny fomba masina"