# Fampifandraisana ny foto-kevitra I Paoly dia manohy ny fitenenana an'i Timoty amin'ny fomba hitondrana ireo lehilahy, ireo vehivavy, ireo maty vady, ary ireo vehivavy tanora ao am-piangonana. # Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Nanome ireo didy ireo tamin'ny olona iray i Paoly, Timoty. Ireo karazana fomba fiteny rehetra amin'ny hoe: "ianao" na ireo endrika hafa ilazana ny hoe mandidy dia afaka ampiasaina amin'ny endrika manondro olona tokana eto. # Aza mibedy ny lahy antitra "Aza miteny mafy amin'ny lahy antitra" # Fa kosa, anaro....izy "Fa kosa, ankaherezo izy" # toy ny ray izy...toy ny rahalahy... tahaka ny reny...toy ny anabavy I Paoly dia mampiasa fanoharana mba hitenenana an'i Timoty fa izy dia tokony hitondra ireo namany mpino am-pitiavana marina sy fanajana. # ireo vehivahy tanora DH: "ary anaro ireo vehivavy tanora" na "ary ankaherezo ireo vehivavy tanora" # ao amin'ny fahadiovana rehetra "miaraka amin'ny fahadiovan-tsaina sy ireo asa" na "amin'ny fomba masina"